ho tadidiko foana reo kapoka kely zay nanitsina raha sendra maditra izahay, hi hi
ireo toromarika tsy ho hadinoina velively, fa nanana tokoa hafa noho ny rehetra izahay nanana anareo,
ianao ry Neny no nitondra sy niaritra ny mafy nitaiza nanolokolo anay ho toy izao,
ianao ry Dada no nanitsy sy nitaridalana anay ka nanoro sy nanitsy raha nisy tsy nety ny nataonay,
koa anio nahatsapa ilay Ray fa efa ampy hono izay ny toromarika rehetra, ireo zay nozarainareo taminay,
Lasa nareo izao nefa hotadidiko mandra-maty fa nanana tokoa nanana anareo
nefa mino fa tsy ho irery fa ao ilay Ray sy ianareo hiahy
mandria-mpiadanana ry dada (Raharison Richard) sy mama( Raolison Gabrielle Olga)
hoy Neny zay hoe;Na dia tsy miresaka mivantana aza isika miananka, tadidio ary tsarovy fa mahatsiaro anao lalandava aho, na ny minitra na ny segondra tsy ahitako anao, koa raha mahatsiaro fa miady irery ianao na mandalo ady sarotra dia averimbereno izao lazaiko izao:
Raha mitolona ady sarotra
matokia fa tsy ho irery
Homba anao jeso mahery
Homba anao tsy miady varotra
Homba anao, Homba anao jeso
,Rehefa mandinika azy aho dia tena tsapako fa tsy misy dikany ny fiainan'ny zanak'olombelona raha toa ka ady sy tsy fifankatiavana no hita fony fahavelona, mbola tena hafa ihany ny fifankatiavana, ka raha sanatria aza tonga ny fotoana hialana ety dia:fahasambarana sy fifaliana no mitsena ny tena
i Dada nilaza t@ zay; fa fifaliana ho ahy ny mahita fa tafita ianao fara;
ho averiko anefa fa tsy toy izao aho raha tsy nisy ianareo ray amandreny niteraka ahy
tsy ho adinoko raha ianareo


